Numbers 18:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hikambana aminao izy ireo ka hitandrina ny anjara raharaha momba ny tranolay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny tranolay. Tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin’ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho mpanampy anareo amin’ny fanompoana rehetra sy ny asa hatao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy. Ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hikambana aminao izy ireo ka hitandrina ny anjara raharaha momba ny tranolay fihaonana*, dia ny fanompoana rehetra momba ny tranolay. Tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
malagasy
Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.