Numbers 18:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ianao sy ireo zanakao miaraka aminao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ny zavatra rehetra mikasika ny alitara sy ny ao anatin’ny efitra lamba satria fanompoana omeko anareo ny fisoronana. Ny olon-kafa izay manakaiky kosa dia hovonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin’ny alitara sy ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.
Malagasy Bible 1865
Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ianao sy ireo zanakao miaraka aminao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ny zavatra rehetra mikasika ny alitara sy ny ao anatin’ny efitra lamba satria fanompoana omeko anareo ny fisoronana. Ny olon-kafa izay manakaiky kosa dia hovonoina.
malagasy