Numbers 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Indro Aho efa nanome ho anjaranao ny fitandremana ireo fanomezana ho Ahy, dia ireo zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anjaranao sy ireo zanakao izany ka ho lalàna maharitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Arona hoe: Indro Aho efa nanome ho anjaranao ny fitandremana ireo fanomezana ho Ahy, dia ireo zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anjaranao sy ireo zanakao izany ka ho lalàna maharitra.
malagasy