Numbers 18:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no ho anao amin’ireo zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra izay tsy nolevonina tamin’ny afo: Ny fanatitra rehetra izay atolony ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ho fanatitra noho ny ota ary ho fanati-panonerana izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ireo zanakao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no ho anjaranao amin’ny zava-masina indrindra, ialan’izay holevonin’ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho Ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto avy no horaisinareo amin’ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon’ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,
Malagasy Bible 1865
Izao no ho anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no ho anao amin’ireo zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra izay tsy nolevonina tamin’ny afo: Ny fanatitra rehetra izay atolony ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ho fanatitra noho ny ota ary ho fanati-panonerana izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ireo zanakao izany.
malagasy