Numbers 19:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra mikasika faty, olona maty izany, ka tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny tabernakelin’NY TOMPO ka hofongorana tsy ho amin’ny Israely. Satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy dia haloto; mbola eo aminy ihany ny fahalotoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mikasika fatin’olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin’ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan’ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay rehetra mikasika faty, olona maty izany, ka tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny tabernakelin’NY TOMPO ka hofongorana tsy ho amin’ny Israely. Satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy dia haloto; mbola eo aminy ihany ny fahalotoany.
malagasy