Numbers 19:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.
Malagasy Bible 1865
Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia haka hisopa* ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana.
malagasy
Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.