Numbers 19:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny olona izay voaloto kosa ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonana satria nandoto ny fitoerana masin’NY TOMPO izy; tsy nafafy taminy ny rano fanadiovana, koa maloto izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Fa izay olona naloto nefa tsy nanao fidiovan-tena dia hoesorina tsy ho isan’ny fiangonana israelita satria handoto ny Toeramasin’ny TOMPO izy; tsy nofafazana rano fanadiovana izy, ka dia maloto.
Malagasy Bible 1865
Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.