Numbers 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon’ilay omby vavy, sy hametraka azy amin’ny toerana madio anankiray any ivelan’ny toby, hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely izany, hatao amin’ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany.
malagasy