Numbers 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanevan’ny tobin-dRobena no ho eo amin’ny lafiny atsimo mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny tarana-dRobena dia i Elizora zanak’i Sedeora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehônita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Reobena dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeora miaraka amin’ny vatan-dehilahy 46 500; ho an’ny fokon’i Simehôna dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 59 300; ho an’ny fokon’i Gada dia i Eliafasa zanakalahin’i Dehoela miaraka amin’ny vatan-dehilahy 45 650.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora.
malagasy
Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;