Numbers 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon’ny Levita eo afovoan’ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dalana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian’ny Levita eo anelanelan’ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin’izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan’ny tarika misy azy avy.
Malagasy Bible 1865
Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita* izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy.
malagasy
Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.