Numbers 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hitoby eo amin’ny lafiny atsinanana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ny tobin’i Joda, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin’ny tobin’i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Joda dia i Nahasôna zanakalahin’i Haminadaba, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 74 600; ho an’ny fokon’i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 54 400; ho an’ny fokon’i Zebolòna dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 57 400.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hitoby eo amin’ny lafiny atsinanana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ny tobin’i Joda, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba.
malagasy