Numbers 2:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ireo kosa no vodilalana, araka ny fanevany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia 157.600 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vodilalana manaraka ny fanevany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. «Dia samy handeha miaraka amin’ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.»
Malagasy Bible 1865
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ireo kosa no vodilalana, araka ny fanevany.
malagasy
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.