Numbers 2:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy
Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.