Numbers 2:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy.
malagasy
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.