Numbers 20:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao.
malagasy
[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.