Numbers 20:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay?
Malagasy Bible 1865
Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
malagasy
Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?