Numbers 20:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy nanamasina Ahy teo imason’ny Zanak’Israely dia tsy hitondra izao fiangonana izao hiditra ho any amin’ny tany izay nomeko azy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy nanamasina Ahy teo imason’ny Zanak’Israely dia tsy hitondra izao fiangonana izao hiditra ho any amin’ny tany izay nomeko azy ianareo.
malagasy