Numbers 20:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,
malagasy
[Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay: