Numbers 20:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny Zanak’Israely taminy: Ny lalambe ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ondriko dia hefaiko vola izany; fa zavatra tsotra ihany: Tsy hanao na inona na inona aho fa handalo an-tongotra fotsiny ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny zanak’i Israely taminy: «Ny lalam-be ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hoefaiko ny vidin’izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny Israelita taminy: –Ny lalambe ihany no hiakaranay; koa raha hisotro amin’ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay aminao ny vidin’izany. Tokana ny zavatra angatahinay, dia ny handalo eo fotsiny ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny Zanak’Israely taminy: Ny lalambe ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ondriko dia hefaiko vola izany; fa zavatra tsotra ihany: Tsy hanao na inona na inona aho fa handalo an-tongotra fotsiny ihany.
malagasy