Numbers 20:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Eleazara zanany, dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra i Arona. Ary nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy sy i Eleazara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Eleazara zanany, dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra i Arona. Ary nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy sy i Eleazara.
malagasy
Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.