Numbers 21:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina tany Negeva, fa mandeha amin’ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady taminy izy ka noentiny ho babo ny sasany tamin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ilay Kananeanina, mpanjakan’i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy i Israely, mihazo ny lalana mankany Atarîna, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin’i Israely izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’ilay Kanahanita mpanjakan’i Harada, izay nonina tany amin’ny faritra atsimo, fa tonga avy tamin’ny lalan’i Atarima ny Israelita, dia notafihiny ireo ary nobaboiny ny sasany taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina tany Negeva, fa mandeha amin’ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady taminy izy ka noentiny ho babo ny sasany tamin’ny Israely.
malagasy
[Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.