Numbers 21:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnôna, izay mivalana amin’ny efitra, rehefa mivoaka ny faritanin’ny Amôreana; fa i Arnôna no faritr’i Moaba, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amôreana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.