Numbers 21:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lavaka fantsakana izay nohadin’ireo olo-manankaja, nohadin’ireo manankaja amin’ny firenena tamin’ny tehiny, dia ireo tehiny fanapahana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy. Fantsakana nolavahan’ny andriandahy, nabanabanan’ny lehiben’ny vahoaka, tamin’ny tehina fanapahana, dia ny tehin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantsakana nohadin’ireo filoha nombàn’ny tehim-pahefàny; fantsakana nolavahan’ireo loholona nombàn’ny tehim-pifehezany.» Rehefa niala tao an-taniefitra ny Israelita, dia nankany Matanà.
Malagasy Bible 1865
Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lavaka fantsakana izay nohadin’ireo olo-manankaja, nohadin’ireo manankaja amin’ny firenena tamin’ny tehiny, dia ireo tehiny fanapahana!
malagasy
Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.