Numbers 21:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avelao izahay mba handeha hamakivaky ny taninao, fa tsy hivily ho any amin’ny saha na ho amin’ny tanim-boaloboka izahay ary tsy hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana; ny Lalan’andriana ihany no halehanay mandra-pihoatranay ny sisintaninao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin’ny saha izahay, na ho amin’ny tanimboaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; fa hizotra amin’ny lalan’andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mba avelao re izahay hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa ny lalam-panjakana ihany no hizoranay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
Malagasy Bible 1865
Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avelao izahay mba handeha hamakivaky ny taninao, fa tsy hivily ho any amin’ny saha na ho amin’ny tanim-boaloboka izahay ary tsy hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana; ny Lalan’andriana ihany no halehanay mandra-pihoatranay ny sisintaninao.
malagasy