Numbers 21:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.
Malagasy Bible 1865
Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely.
malagasy