Numbers 21:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
Malagasy Bible 1865
Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.
malagasy
Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.