Numbers 21:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho anao, ry Moaba! Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Loza no nihatra taminao, ry Môaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin’i Kemôsy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin’i Kemôsy ho babon’i Sihôna, mpanjakan’ny Amorita.
Malagasy Bible 1865
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
malagasy
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.