Numbers 21:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka mpisafo tany ho any Jazera i Mosesy; ary naka ireo vohitra miankina aminy ny Israely ka nandroaka ny Amorita izay tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka olona hisafo an’i Jazera i Môizy; dia afak’izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amôreana tamin’ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniraka olona hisafo an’i Jahezera i Mosesy; dia nalain’ny Israelita izany tanàna izany sy ireo tanàna kely miankina aminy ary noroahiny ny Amôrita izay nipetraka tao.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka mpisafo tany ho any Jazera i Mosesy; ary naka ireo vohitra miankina aminy ny Israely ka nandroaka ny Amorita izay tany.
malagasy
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.