Numbers 21:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona.
malagasy
[Ny Menarana Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.