Numbers 21:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nanomboka nanakiana an’Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: –Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon’itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay.
malagasy