Numbers 21:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: «Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’i Iaveh sy ianao. Mivavaha amin’i Iaveh mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.» Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy.
malagasy