Numbers 21:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin’ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
malagasy
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.