Numbers 22:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nifoha i Balaama, ny maraina, dia nilaza tamin’ireo andriandahin’i Balàka hoe: «Mandehana any amin’ny taninareo, fa lavin’i Iaveh ka tsy avelany handeha miaraka aminareo aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo fa tsy avelan’NY TOMPO handeha hiaraka aminareo aho.
malagasy
Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.