Numbers 22:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’i Balàka zanak’i Sefôra, izay rehetra nataon’i Israely tamin’ny Amôreana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Balàka, zanakalahin’i Tsipôra, no mpanjakan’i Môaba tamin’izay fotoana izay. Fantany tsara izay rehetra nataon’ny Israelita tamin’ny Amôrita; ka raiki-tahotra mafy izy sy ny Môabita sady nangorohoro nahita ny Israelita izay vahoaka marobe. Dia hoy ity mpanjaka tamin’ny loholon’ny Midîanîta: –Ankehitriny ireto vahoaka marobe ireto dia hanimba ny faritra rehetra manodidina antsika, toy ny firaokan’ny omby ny ahitra eny an-tsaha!
Malagasy Bible 1865
Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.
malagasy
[Ny nampanalan'i Balaka an'i Balama] Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.