Numbers 22:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony alina dia nankao amin’i Balama Andriamanitra ka niteny taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony alina dia nankao amin’i Balama Andriamanitra ka niteny taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
malagasy