Numbers 22:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’ity ampondra ilay Anjelin’i Iaveh nijanona teo an-dalana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka nivily lalana nankany anaty saha izy. Nokapohin’i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin’ny lalana indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ny boriky ilay anjelin’ny TOMPO nijanona teo amin’ny lalana sady nitana sabatra; dia nivily lalana ny boriky ka namantana tany amin’ny saha. Nokapohin’i Balahama ilay boriky mba hiverina amin’ny lalana.
Malagasy Bible 1865
Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.
malagasy