Numbers 22:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampahiratin’NY TOMPO ny mason’i Balama hahita ilay Anjelin’NY TOMPO mijoro eo an-dalana sady mitana ny sabany efa voatsoaka eny an-tanany; dia niondrika tamin’ny tany i Balama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosokafan’i Iaveh ny mason’i Balaama, dia hitan’i Balaama ilay Anjelin’i Iaveh izay teo an-dalana teo, sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka niondrika sy niankohoka tamin’ny tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’i Balahama hahita ilay anjelin’ny TOMPO izay nijanona teo amin’ny lalana sady mitana sabatra. Dia niondrika i Balahama ka niankohoka tamin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampahiratin’NY TOMPO ny mason’i Balama hahita ilay Anjelin’NY TOMPO mijoro eo an-dalana sady mitana ny sabany efa voatsoaka eny an-tanany; dia niondrika tamin’ny tany i Balama.
malagasy
Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.