Numbers 22:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh taminy: «Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, lalana mamarina anao amin’ny loza no ombanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao.
malagasy
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.