Numbers 22:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka naniraka olona izy ho any amin’i Balaama, zanak’i Beôra, any Petôra, izay eo amoron’ny ony, eo amin’ny tanin’ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: «Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naniraka olona i Balàka hankany amin’i Balahama zanakalahin’i Behôra any Petôra amoron’ny ony Eofrata, any amin’ny tanin’ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an’i Balahama: «Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko.
malagasy