Numbers 22:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mihanta aminao aho, tongava atỳ amiko ianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin’ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»
Malagasy Bible 1865
koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona.
malagasy