Numbers 22:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.
malagasy
Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.