Numbers 23:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao!
malagasy
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.