Numbers 23:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ny toerana hafa izay hahatazananao azy; kanefa ny tapany ihany no ho hitanao eo fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra, koa ozòny avy eo izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Balàka tamin’i Balahama: –Andeha hiaraka amiko any amin’ny toeran-kafa izay hahitanao ny Israelita rehetra. Ampahany ihany mantsy no hitanao teto fa tsy ny vahoaka manontolo. Ka avy eo amin’izany toerana izany no hanozonanao azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.