Numbers 23:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima, tao an-tampon’i Pisga izy; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima, tao an-tampon’i Pisga izy; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.
malagasy
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.