Numbers 23:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tany aminy izy dia indreo, teo anilan’ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy i Balaka taminy: Ahoana no nolazain’NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tany aminy izy dia indreo, teo anilan’ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy i Balaka taminy: Ahoana no nolazain’NY TOMPO?
malagasy
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?