Numbers 23:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eo anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho kosa dia handeha; angamba ho avy hitsena ahy NY TOMPO; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra iray mangadihady izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eo anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho kosa dia handeha; angamba ho avy hitsena ahy NY TOMPO; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra iray mangadihady izy.
malagasy