Numbers 23:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisehoan’Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe: –Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan’alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.
malagasy
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.