Numbers 23:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nilaza ny oha-teniny i Balama ka niteny hoe: I Balaka dia nampaka ahy avy tany Arama, ny mpanjakan’i Moaba dia nampaka ahy avy tany amin’ny tendrombohitra atsinanana: Avia ka ozòny i Jakoba! Mankanesa atỳ ka anamparo ny fahatezeranao Israely!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nilaza ny oha-teniny i Balama ka niteny hoe: I Balaka dia nampaka ahy avy tany Arama, ny mpanjakan’i Moaba dia nampaka ahy avy tany amin’ny tendrombohitra atsinanana: Avia ka ozòny i Jakoba! Mankanesa atỳ ka anamparo ny fahatezeranao Israely!
malagasy