Numbers 23:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa avy eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy ary avy eto amin’ny havoana no itazanako azy. Indro, firenena mitoka-monina izy ary tsy hatao ho isan’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa eto an-tampon’ny vatolampy aho mahita azy, Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy; Ka firenena manana fitoerana manokana izy, Fa tsy mba hampidirina amin’ny fanisana ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa jereko avy eto an-tampon’ny vatolampy ary rehefa tazaniko avy eto an-tampon-kavoana izany vahoaka israelita izany, dia vahoaka mitoka-monina no fahitako azy, sady miavaka amin’ny firenen-kafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa avy eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy ary avy eto amin’ny havoana no itazanako azy. Indro, firenena mitoka-monina izy ary tsy hatao ho isan’ny Jentilisa*.
malagasy
Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.