Numbers 24:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao!
malagasy
Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.